lundi 7 décembre 2009

HETSIKA DESAMBRA 2009

IREO DATY TSARA HO FANTATRA VOLANA DESAMBRA 2009

FARITANY 5

19-24 décembre 2009

F Régional Tsarahonenana Ampangabe (Akaikin'ny Analamanga park).

Efa betsaka ny nisoratra anarana fa mbola maro koa ny tsy nisoratra.

Ra mbola miheritreritra ny andeha dia tsara raha tonga mamonjy eny Antsahamanitra amin’ny alarobia.

FARITANY

12-13 décembre 2009

LAFASOA

Fihaonamben’ny LS sampana maitso,

Raha sanatria tsy mbola naheno vaovao dia atsoy haingana i Filoha Dokana Mitoetra.

FARITRA

12 décembre 2009

SPORT SAMPANA MAVO

  • atao ao Betongolo, manomboka am 9ora maraina
  • Vola Ar 2000 / fivondronana entina amin’ny alarobia 09 desambra any antsahamanitra
  • Sakafo masaka atoandro,
  • Baolina foot 1 isam-pivondronana
  • Manao tenue de sport


09 décembre 2009

FAMANGIANA AN’I DOKANA (tera-bao ny vadiny)

Araka ny resaka nifanaovan’ny MP tany amin’ny local dia hamangy an’i Dokana amin’io fotoana io rehefa avy mivory any amin’ny local

Amin’ny 6 ora no miainga ao Antsahamanitra + tsipaipaika

19 décembre 2009

Noely Mizara

Fotoana iray hanaovatsika hetsika momba ny noely ity andro ity.

Samy manatanteraka ny hetsika ny isam-pivondronana fa tsara ra ahitana ireto soso-kevotra ireto :

  • Fizarana entana ilaina andavan’andro (PPN) ho an’ireo sahiranq ara-pivelomana ao amin’ny fiangonana,
  • Fizarana lamba firakotra na fitafy ho an’ireo izay tsy manana
  • Fizarana tenin’ny soratra masina ( atao impression dia zaraina ho an’ny olona tonga rehetra)
  • Fizarana vatomamy , biscuit, kilalao ho an’ireo ankizy sahirana

Fanazavana

Ho fandraisana anjaran’ireo ankizy tinaizantsika, KP dia tsara ho an’izay manana zavatra afaka omena sy zaraina manao izany (akanjo, lamba firakotra, vary, menaka, labozia…)

Entanina koa ny iray fiangonana mba samy hanao izay fanampiana azony fianakaviana tsirairary atao

Alaivo sary ny hetsika ataotsika fahatsiarovana.


Azon'ny fivondronana tsirairay atao ny manatsara io araka izay fahafanay manao izany.


Dia mankahery hatrany.

fanolorana tonia CEN.HO.SOA.

Alahady 13 desambra 2009

Ankoatra ireo fanolorana Tonia teny Andrainarivo (16è) sy ny tao Manjakaray (07è), sy ny tao Amboditsiry (153 è) dia hisy fanolorana tonia tily indray ao amin'ny fivondronana 144è (CEN.HO.SOA.) ny alahady 13 desambra 2009 manomboka amin'ny 9 ora sy sasany.

Araka ny fantatra dia somary tery ihany ny fiangonana nefa koa maro ny mpivavaka koa izay manana fandaharam-potoana ho eny dia tsara indrindra tonga amin'ny 9ora.

Dia tongava ary hifanotrona e.

Misaotra