jeudi 3 février 2011


Miarahaba antsika rehetra mpiray Faritra

Vita teo indray izany iny ny Fifampiarahabana noho ny Taom-baovao teto anivon’ny Faritra II notanterahina tao amin’ny CNEAGR NANISANA.

Mankasitraka ireo Fivondronana fito nanoina ny antso, hita fa tena nanomana sy nanao ho zava-dehibe ny hetsika isika rehetra.

Isaorana koa ireo Filoha rehetra niketrika, mendri-piderana ny fikarakarana nataonareo ary tena mampiseho fa Tsara ny Tompo ary Mpanao ny tsara.

Hiroso amin’ny tena votoatin’ny Taom-banabeazana amin’izay isika koa amporisihina hatrany isika rehetra amin’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika rehetra mbola hotanterahina mandritra ny taona.

Ireto indray ary ireo hetsika lehibe manaraka hatrehintsika:

  1. Mpanazava: Mbola ao anatin’ny Fankalazana ny Jobily faha-70 taona

  1. Tily:

Sport isan-tsampana: manomboka ny 05 Febroary 2011

Haza lehibe : 26 marsa 2011

LFTT : 26-27 marsa 2011

Rodorodo : 25-26-27 marsa 2011

  1. Iray volan’ny Mpanazava sy Tily: mandritra ny volana Mey manontolo

Hiroso amin’ny tena votoatin’ny Taom-banabeazana amin’izay isika koa




mardi 4 janvier 2011

ASARAMANITRA 2011


AODY RY AMBANILANITRA
TONGA NY ASARAMANITRA




30 JANOARY 2011


Hifampiarahaba indray isika Filoha sy Mpiandraikitra Mpanazava sy Tily Faritra faharoa noho ny taona vaovao 2011

Ireto ny andinindininy


Lohahevitra : ASARAMANITRA,

Fotoana : manomboka amin'ny 12ora ka hatramin'ny 5ora hariva

Toerana : CNEAGR NANISANA

Zavatra omanina isam-pivondronana

- Kabary sy Hetsika miavaka Fanolorana Solom-bodiakoho
- Hira rodobe na mitokana
- Dihy
- Latabatra voaomana sy voahaingo mifanaraka @ Lohahevitra ary Sakafo Asaramanitra


Zavatra omanin'ny tsirairay ( ankoatra ny fanamiana ara-dalana)

- Fanamiana mihaja sy mianjaika maneho ny maha-Malagasy

- Fanomezana ifanakalozana misanda Ar 2000 (ezaho tsy ho sakafo, na vola, na crédit, savony sns… izay mandalo vetivety fa aoka hatao fahatsiarovana hitoetra.)

- Fandraisana anjara Ar 1 000 isan’olona (notanana mitovy ny t@ herintaona aloha fa hisy filazàna mialoha raha misy ny fiovana)

- Sakafo masaka atoandro

Aoka hifanentana isika rehetra fa zava-dehibe ny fiarahana milanona tahaka izao mba hisian'ny fifankahafantarana sy fanamafisana ny fifankatiavana eo amin'ny mpiray Faritra.

FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA 2010-2011

TAOM-PIASANA 2010-2014
TAOM-PANABEAZANA 2010-2011



Hanamarihana amin'ny fomba ofisialy ny Fisokafan'ny Taom-piasana 2010-2014 sy ny Taom-panabeazana 2010-2011 dia Hiombom-bavaka isika FARITRA FAHAROA

ao amin'ny

METM BETELA AVARADOHA

ny

ALAHADY 16 JANOARY 2011 @ 14:30

Tongava maro fa eo ny hanolorana antsika ireo Filoha Mpanazava sy Tily Miandraikitra indray ny Faritra ary hahafantarantsika ireo vaovao tsara ho fantatra.

Tanana Havia

NOELY MIZARA 2010

Toy izao indray ny fandaharam-potoana NOELY MIZARA 2010:

Fotoana: Sabotsy 08 Janoary 2011 @ 14:30
Toerana: Zaridaina Antanimbarinandriana
Samy mitondra izay rehetra tiany hatao fanomezana hozaraina amin'ireo sahirana: akanjo, bodofotsy, vary, savony, labozia, menaka, siramamy, kiraro...