lundi 7 décembre 2009

HETSIKA DESAMBRA 2009

IREO DATY TSARA HO FANTATRA VOLANA DESAMBRA 2009

FARITANY 5

19-24 décembre 2009

F Régional Tsarahonenana Ampangabe (Akaikin'ny Analamanga park).

Efa betsaka ny nisoratra anarana fa mbola maro koa ny tsy nisoratra.

Ra mbola miheritreritra ny andeha dia tsara raha tonga mamonjy eny Antsahamanitra amin’ny alarobia.

FARITANY

12-13 décembre 2009

LAFASOA

Fihaonamben’ny LS sampana maitso,

Raha sanatria tsy mbola naheno vaovao dia atsoy haingana i Filoha Dokana Mitoetra.

FARITRA

12 décembre 2009

SPORT SAMPANA MAVO

  • atao ao Betongolo, manomboka am 9ora maraina
  • Vola Ar 2000 / fivondronana entina amin’ny alarobia 09 desambra any antsahamanitra
  • Sakafo masaka atoandro,
  • Baolina foot 1 isam-pivondronana
  • Manao tenue de sport


09 décembre 2009

FAMANGIANA AN’I DOKANA (tera-bao ny vadiny)

Araka ny resaka nifanaovan’ny MP tany amin’ny local dia hamangy an’i Dokana amin’io fotoana io rehefa avy mivory any amin’ny local

Amin’ny 6 ora no miainga ao Antsahamanitra + tsipaipaika

19 décembre 2009

Noely Mizara

Fotoana iray hanaovatsika hetsika momba ny noely ity andro ity.

Samy manatanteraka ny hetsika ny isam-pivondronana fa tsara ra ahitana ireto soso-kevotra ireto :

  • Fizarana entana ilaina andavan’andro (PPN) ho an’ireo sahiranq ara-pivelomana ao amin’ny fiangonana,
  • Fizarana lamba firakotra na fitafy ho an’ireo izay tsy manana
  • Fizarana tenin’ny soratra masina ( atao impression dia zaraina ho an’ny olona tonga rehetra)
  • Fizarana vatomamy , biscuit, kilalao ho an’ireo ankizy sahirana

Fanazavana

Ho fandraisana anjaran’ireo ankizy tinaizantsika, KP dia tsara ho an’izay manana zavatra afaka omena sy zaraina manao izany (akanjo, lamba firakotra, vary, menaka, labozia…)

Entanina koa ny iray fiangonana mba samy hanao izay fanampiana azony fianakaviana tsirairary atao

Alaivo sary ny hetsika ataotsika fahatsiarovana.


Azon'ny fivondronana tsirairay atao ny manatsara io araka izay fahafanay manao izany.


Dia mankahery hatrany.

fanolorana tonia CEN.HO.SOA.

Alahady 13 desambra 2009

Ankoatra ireo fanolorana Tonia teny Andrainarivo (16è) sy ny tao Manjakaray (07è), sy ny tao Amboditsiry (153 è) dia hisy fanolorana tonia tily indray ao amin'ny fivondronana 144è (CEN.HO.SOA.) ny alahady 13 desambra 2009 manomboka amin'ny 9 ora sy sasany.

Araka ny fantatra dia somary tery ihany ny fiangonana nefa koa maro ny mpivavaka koa izay manana fandaharam-potoana ho eny dia tsara indrindra tonga amin'ny 9ora.

Dia tongava ary hifanotrona e.

Misaotra

lundi 9 novembre 2009

HETSIKA NOVAMBRA 2009

IREO DATY TSARA HO FANTATRA VOLANA NOVAMBRA 2009

SYNODAM-PIANGONANA


08 novembre 2009

Alahadin'ny FSFLM


15 novembre 2009

Alahadin'ny SAMPATI


21 novembre 2009

Fanokafana SFTIMPA

FARITANY

14 novembre 2009

fiofanan’ny Komitim-pivondronana sy Tonia.

Toerana : kolejy teolojika Rainandriamampandry Ankadifotsy

Fotoana : Manomboka amin’ny 2ora tolak’andro hatramin’ny 5ora.

14 novembre 2009

Fampiofanana loholona faritany

Toerana : Ankatso (oniversite)

Fotoana : amin’ny 7ora sy 30mn eo amin’ny esplanade Ankatso

Andinindininy : amin’ny fivoriana eny amin’ny local Antsahamanitra amin’ny alarobia 11 novambra

FIVONDRONANA

22 novembre 2009

fanekena mpiandraikitra sy fanolorona toniam-pivondronana (FJKM Andrinarivo fiv 16è)

fanekena mpiandraikitra sy fanolorona toniam-pivondronana (FJKM Manjakaray fiv 07è)

jeudi 22 octobre 2009

fanokafana taom-panabeazana faritany, fivorian'ny faritra

Asabotsy 24 oktobra 2009: fanokafana taom-panabeazana 2009-2010 (faritany MTEM) ao amin’ny METM Ziona Firaisana Besarety amin’ny 2oras30 mn .

Alahady 25 oktobra 2009 : fivorian’ny faritra faha-2 iarahan’ny mpiandrikitra Tily rehetra sy ireo filoha ao amin’ny METM Ziona Firaisana Besarety amin’ny 2ora sy 30mn.

Aza adino hatrany ny baiboly sy ny fitaovana rehetra ilaina satria ambony lavitra noho ny fitazam-batana ny fitaizana ny Fanahy.

dia mahatoky fa ho tonga ise amin’ireo hetsika rehetra ireo satria mariky ny fahavononan’ise sy ny maha-mpikambana feno an’ise ny fanatrehana izany.

Asabotsy 24 oktobra 2009: fanokafana taom-panabeazana 2009-2010 (faritany MTEM) ao amin’ny METM Ziona Firaisana Besarety amin’ny 2oras30 mn .

Alahady 25 oktobra 2009 : fivorian’ny faritra faha-2 iarahan’ny mpoiandraikitra Tily rehetra sy ireo filoha ao amin’ny METM Ziona Firaisana Besarety amin’ny 2ora sy 30mn.

Aza adino hatrany ny baiboly sy ny fitaovana rehetra ilaina satria ambony lavitra noho ny fitazam-batana ny fitaizana ny Fanahy.

dia mahatoky fa ho tonga ise amin’ireo hetsika rehetra ireo satria mariky ny fahavononan’ise sy ny maha-mpikambana feno an’ise ny fanatrehana izany.

MANKAHERY HATRANY
TANANA HAVIA

mariazy TRAKA


Tanteraka soa aman-tsara ny fanamasinana ny fanambadian’i

RAMBELO Jacquot Eric (Traka Mitera) sy ANDRIANAIVO Landy Nirina

Izay notanterahina tao amin’ny E.E.M. Santa Jaona Ambohimangakely ny zoma 09 oktobra 2009 tamin’ny 07ora hariva ary nentina teny amin’ny “PIC VERT” Ambatobe nisakafo sy nilanonana.

Filoha Maitso eto anivon’ny Faritra faha-2 i Traka sao adinonareo an.

Hafaliana tokoa moa ny azy mivady satria tafaraka tao daholo na ny olon-tsotra sy ireo tao anaty fikambanana izay maro dia maro no tonga nifanotrona. Tonga tany koa ny filoham-paritany mivady sy ireo namana tao amin’ny faritany sy ny foibe. FA tsy adino koa ny faritra faha-2 misy atsika dia Ny filohan’ny Faritra (Radomanana), ny filoham-paritany sampana maitso (Dokana mitoetra) izay filoham-paritra teo aloha sy i Filoha Misa (sampana mavo).

Samy nifaly daholo ny rehetra sady ny masoandro niposaka no nampalahelo fa dia nody ihany avy eo rehefa avy naka ny anjara gatô.

Ny firari-tsoa avy aty aminay filoha mpiray dia izay misolo tena ny faritra dia ny aharetan’ny tokan-trano vao e, ilaza moa oe arahin-jazalahy sy zazavavy, ry zareo efa nahazo soa aman-tsara fa ny azotsika hambara dia oe ho arahin’ny zandriny ato aoriana e!

Dia ny fiteny moa rehefa misy ohatr’ireny dia hoe “manaraha ny diany e”, dia miandry zany isika hoe iza indray ary ilay manaraka ao!

Misaotra e

mardi 29 septembre 2009

HETSIKA OKTOBRA 2009

IREO DATY TSARA HO FANTATRA VOLANA OKTOBRA 2009

FOIBE

17-18 octobre 2009

JOTI-JOTA

18 octobre 2009

fanokafana ny taom-panabeazana 2009-2010 ho an'ny Tily Eto Madagasikara amin’ny 2oras30mn ao amin'ny FLM Ambatovinaky

FARITANY

24 octobre 2009

"Fanokafana taom-panabeazana 2009 – 2010 (Faritany MTEM)

toerana : Chapelle Militaire Ampahibe na METM Ankazomanga"

FARITRA

25 octobre 2009

Fivorian’ny faritra iarahan’ny Filoha sy ny mpiandraikitra rehetra

samedi 26 septembre 2009

Izy ndray alou!!!

Salama jiaby ny akama reetra a!
Misôtra ny filoham-paritra namorona ity blog ity ka mba ahafahantsika reetra mba mifanerasera na ankolaka na mivatana eto e. Zay mou tsy dé tena afaka lôtra @ famonjena ny local ka dé miezaka hanovo vao² sy mampita vao² ato @ty blog vao² ity e!
Dé mahereza dôly ary mirary soa
Homba anareo anie ny Tompo.

lundi 21 septembre 2009

FIARAHABANA

Ny tenin'ny filohan'ny FARITRA

Miarahaba antsika rehetra tonga ato amin'ny sehatra iseraserana eto anivon'ny FARITRA FAHA-2.

Mahafaly anay filoha mpiray dia ny manaolotra anareo ity SEHATRA ity.

Natao indrindra ity hanamafisana ny serasera sy hampitana ny vaovao tokony ho fantatra.

Ezahanay ny amoahana ny vaovao miseho rehetra eto anivon'ny faritra sy ny faritany ary ny foibe raha ilaina izany ato amin'ity sehatra ity.

Ny ho fiainan'ity sehatra ity anefa dia miankina tanteraka amitsika rehetra isam-pivondronana amin'ny fitsidihana azy; tsy an-kanavaka io na ny beazina, na ny mpanabe, na ireo zoky mpanohana sy ireo mpitantana.



hoy aho hoe : "ny vaovao tsy manantona fa antonina "
koa MAZOTOA ARY MISERASERA RY ISE ISANY.

Tanana Havia

Ny Filoham-paritra
Radomanana RANDRIANAIVONIRINARISOA
tél : 033 11 790 06 / 032 40 562 41
mail : radomanana@moov.mg
radomanana@yahoo.fr