mardi 29 septembre 2009

HETSIKA OKTOBRA 2009

IREO DATY TSARA HO FANTATRA VOLANA OKTOBRA 2009

FOIBE

17-18 octobre 2009

JOTI-JOTA

18 octobre 2009

fanokafana ny taom-panabeazana 2009-2010 ho an'ny Tily Eto Madagasikara amin’ny 2oras30mn ao amin'ny FLM Ambatovinaky

FARITANY

24 octobre 2009

"Fanokafana taom-panabeazana 2009 – 2010 (Faritany MTEM)

toerana : Chapelle Militaire Ampahibe na METM Ankazomanga"

FARITRA

25 octobre 2009

Fivorian’ny faritra iarahan’ny Filoha sy ny mpiandraikitra rehetra

samedi 26 septembre 2009

Izy ndray alou!!!

Salama jiaby ny akama reetra a!
Misôtra ny filoham-paritra namorona ity blog ity ka mba ahafahantsika reetra mba mifanerasera na ankolaka na mivatana eto e. Zay mou tsy dé tena afaka lôtra @ famonjena ny local ka dé miezaka hanovo vao² sy mampita vao² ato @ty blog vao² ity e!
Dé mahereza dôly ary mirary soa
Homba anareo anie ny Tompo.

lundi 21 septembre 2009

FIARAHABANA

Ny tenin'ny filohan'ny FARITRA

Miarahaba antsika rehetra tonga ato amin'ny sehatra iseraserana eto anivon'ny FARITRA FAHA-2.

Mahafaly anay filoha mpiray dia ny manaolotra anareo ity SEHATRA ity.

Natao indrindra ity hanamafisana ny serasera sy hampitana ny vaovao tokony ho fantatra.

Ezahanay ny amoahana ny vaovao miseho rehetra eto anivon'ny faritra sy ny faritany ary ny foibe raha ilaina izany ato amin'ity sehatra ity.

Ny ho fiainan'ity sehatra ity anefa dia miankina tanteraka amitsika rehetra isam-pivondronana amin'ny fitsidihana azy; tsy an-kanavaka io na ny beazina, na ny mpanabe, na ireo zoky mpanohana sy ireo mpitantana.



hoy aho hoe : "ny vaovao tsy manantona fa antonina "
koa MAZOTOA ARY MISERASERA RY ISE ISANY.

Tanana Havia

Ny Filoham-paritra
Radomanana RANDRIANAIVONIRINARISOA
tél : 033 11 790 06 / 032 40 562 41
mail : radomanana@moov.mg
radomanana@yahoo.fr