vendredi 9 juillet 2010

LOMAYPIKA FARITRA


LOMAYPIKA FARITRA FAHAROA

Miarahaba antsika rehetra, indro ampitaina amitsika ny andinindinin’ny lalao LOMAYPIKA eto anivon’ny Faritra faharoa:

Daty : Alahady 11 jolay 2010.

Fotoana : amin’ny 7ora30mn eo Antsonjombe

Zavatra entina :

  • Baolina foot na volley (1 isan-tsokajy);
  • Tady mahazaka (1 isan-tsokajy);
  • Sakafo atoandro
  • Fanamiana ara-dalana + Fanion
  • Maillot
  • Kanety (1 isan’olona)

Fandraisana anjara

Ho an’ny beazina : 1 500 fmg (Ar 300) isan’olona

Ho an’ny Mpiandraikitra : 5 000 fmg (Ar 1 000) isan’olona

Vidin’ny LOGO :

2 500 fmg (Ar 500) ny paire.

Dia manentana atsika fivondronana rehetra mba ho tonga satria tafiditra ao anatin’ny fanabeazana ireo ankizy izany no fialam-boly ihany koa.

Tanana Havia