Fifampiarahaban-taona iarahan’ny filoha sy Mpiandraikitra mpanazava sy Tily faritra faharoa
Vita soa iny fifampiarahaban-taona iny ary samy faly ny ankamaroan’ny tonga tao e. asakasak’izay tsy tonga hoy ny fitenenana nefa koa mbola misy ny hetsika hafa fa ny fifampiarahaban-taona aloha dia tsy hisy intsony fa amin’ny manaraka indray.
Na izany aza dia misaotra ny rehetra na ny tonga na ny tsy tonga satria fantatra fa antony goavana tsy azo nialana matoa tsy tonga tao ianareo.
Misaotra ny ekipa rehetra nanomana sy nandrindra ny fotoana rehetra ary mahatoky fa ny fiaraha-miasa amin’ny manaraka dia vao maika ho tsaratsara kokoa noho ny vita teo.
Dia mankahery atsika hatrany amin’ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny andraikitra niatson’ny Tompo atsika hanatratrarana ny tanjona sy zava-kendren’ny fikambanana.
Tanana Havia
ireo mpanjakavavy sy mpanjakalahy nanao ny fifaninanana.
Mahafinaritra ery ireto izy!! Mahafatifaty ny skoto e??
ireto ny mpanjakalahy sy mpajakavavy FARITRA FAHAROA
ndrii reto izy e!!
Ho an'ireo tsy tao???
Dia amin'ny manaraka indray e
Efa manana facebook isika "Tily Faritra Faharoa" ny anarany dia ao koa misy sary marobe e!
·vahivavy iray sy lehilahy iray hanao roi et reine,
(mitovy amin’ny electionmiss sy mister reny, asina fifidianana sns).
manomana tenue izay fatany fa tena mahatsara azy ireo,
zavatra omanin'ny tsirairay ( ankoatry ny fanamiana ara-dalana)
·fanomezana ifanakalozana mitentina Ar 1 500 (ity ilay tsy atao sakafo, vola, crédit, savony sns)
fa atao fahatsiarovana.
·tenue mena sy fotsy (tsy voafetra fa malalaka samy manao izay fantany fa mahatsara azy),
·fandraisana anjara Ar 1 000 isan’olona
·sakafo masaka atoandro
Tongava daholo fa sady lanonana io no ho fifaneraserana ary hetsika iray ihany iarahan’ny sampana roa
Mirary ny fitahian’ilay mpahary ho an’ise sy ny akohonan’ise.
Ho taona hijinjana fahasoavana avy amin’ilay mpahary anie ny taona vaovao ary hotanterahiny ny faniriana tsara anatin’ny tsirairay eo ambany fitiavany.
Dai mahatoky hatrany ny fahavononan’ise ato anivon’ny fikambanana.