jeudi 22 octobre 2009

mariazy TRAKA


Tanteraka soa aman-tsara ny fanamasinana ny fanambadian’i

RAMBELO Jacquot Eric (Traka Mitera) sy ANDRIANAIVO Landy Nirina

Izay notanterahina tao amin’ny E.E.M. Santa Jaona Ambohimangakely ny zoma 09 oktobra 2009 tamin’ny 07ora hariva ary nentina teny amin’ny “PIC VERT” Ambatobe nisakafo sy nilanonana.

Filoha Maitso eto anivon’ny Faritra faha-2 i Traka sao adinonareo an.

Hafaliana tokoa moa ny azy mivady satria tafaraka tao daholo na ny olon-tsotra sy ireo tao anaty fikambanana izay maro dia maro no tonga nifanotrona. Tonga tany koa ny filoham-paritany mivady sy ireo namana tao amin’ny faritany sy ny foibe. FA tsy adino koa ny faritra faha-2 misy atsika dia Ny filohan’ny Faritra (Radomanana), ny filoham-paritany sampana maitso (Dokana mitoetra) izay filoham-paritra teo aloha sy i Filoha Misa (sampana mavo).

Samy nifaly daholo ny rehetra sady ny masoandro niposaka no nampalahelo fa dia nody ihany avy eo rehefa avy naka ny anjara gatô.

Ny firari-tsoa avy aty aminay filoha mpiray dia izay misolo tena ny faritra dia ny aharetan’ny tokan-trano vao e, ilaza moa oe arahin-jazalahy sy zazavavy, ry zareo efa nahazo soa aman-tsara fa ny azotsika hambara dia oe ho arahin’ny zandriny ato aoriana e!

Dia ny fiteny moa rehefa misy ohatr’ireny dia hoe “manaraha ny diany e”, dia miandry zany isika hoe iza indray ary ilay manaraka ao!

Misaotra e

1 commentaire:

  1. Tara be izahay hay nisy an'ito tato. Ny fianakavian'i Landy aty Toamasina dia mirary soa ho anareo 3mianaka kely mandritra ity taona vaovao 2010 ity.

    RépondreSupprimer