FITIAVANA RANOVELONA MENA SY FOTSY
AMITIE EN ROUGE ET BLANC
14 FEBROARY 2010
Fifampiarahaban-taona iarahan’ny filoha sy Mpiandraikitra mpanazava sy Tily faritra faharoa
Vita soa iny fifampiarahaban-taona iny ary samy faly ny ankamaroan’ny tonga tao e. asakasak’izay tsy tonga hoy ny fitenenana nefa koa mbola misy ny hetsika hafa fa ny fifampiarahaban-taona aloha dia tsy hisy intsony fa amin’ny manaraka indray.
Na izany aza dia misaotra ny rehetra na ny tonga na ny tsy tonga satria fantatra fa antony goavana tsy azo nialana matoa tsy tonga tao ianareo.
Misaotra ny ekipa rehetra nanomana sy nandrindra ny fotoana rehetra ary mahatoky fa ny fiaraha-miasa amin’ny manaraka dia vao maika ho tsaratsara kokoa noho ny vita teo.
Dia mankahery atsika hatrany amin’ny fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny andraikitra niatson’ny Tompo atsika hanatratrarana ny tanjona sy zava-kendren’ny fikambanana.
Mahafinaritra ery ireto izy!! Mahafatifaty ny skoto e??
ireto ny
ndrii reto izy e!!
Ho an'ireo tsy tao???
Dia amin'ny manaraka indray e
Efa manana facebook isika "Tily Faritra Faharoa" ny anarany dia ao koa misy sary marobe e!
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire