Miarahaba antsika rehetra mpiray Faritra
Vita teo indray izany iny ny Fifampiarahabana noho ny Taom-baovao teto anivon’ny Faritra II notanterahina tao amin’ny CNEAGR NANISANA.
Mankasitraka ireo Fivondronana fito nanoina ny antso, hita fa tena nanomana sy nanao ho zava-dehibe ny hetsika isika rehetra.
Isaorana koa ireo Filoha rehetra niketrika, mendri-piderana ny fikarakarana nataonareo ary tena mampiseho fa Tsara ny Tompo ary Mpanao ny tsara.
Hiroso amin’ny tena votoatin’ny Taom-banabeazana amin’izay isika koa amporisihina hatrany isika rehetra amin’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika rehetra mbola hotanterahina mandritra ny taona.
Ireto indray ary ireo hetsika lehibe manaraka hatrehintsika:
- Mpanazava: Mbola ao anatin’ny Fankalazana ny Jobily faha-70 taona
- Tily:
Sport isan-tsampana: manomboka ny 05 Febroary 2011
Haza lehibe : 26 marsa 2011
LFTT : 26-27 marsa 2011
Rodorodo : 25-26-27 marsa 2011
- Iray volan’ny Mpanazava sy Tily: mandritra ny volana Mey manontolo
Hiroso amin’ny tena votoatin’ny Taom-banabeazana amin’izay isika koa
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire